Hay ve (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

https://tononkira.serasera.org/hira/am-gaf-antoko-mpihira-gileada-anjomaranny-famonjena/hay-ve

1- Hay ve Jesosy tiako, tompon'ny fifaliako
Manaraka ny diako, mahalala izay iriko
Mamonjy sy manoro, ny fiainako hijoro
Mitahy sy mampahery, manjohy mijery

REFR:
Hay ve Jesoa tsy mandao
Na tsy mendrika aza ianao
Didy efa nomeny izany hoe Fitiavana

2- Zao vao lasa ny saiko, hay ve zay nokasaiko
Eny fa na ny aiko, dia azy izay lalaiko
Minia tsy mahalala, sa koTsiky dia ampysa tena adala
Reo izay mamoy fo ka very, miady irery

REFR:
Hay ve Jesoa tsy mandao
Na tsy mendrika aza ianao
Didy efa nomeny izany hoe Fitiavana

3- Fitiavana izany, Fitiavana tokoa
Ny ainy sy ny rany nomeny avokoa
Tsy mba nataony akambo, na misy aza ny atambo
Fa nolalainy foana izany Fitiavana


REFR:
Hay ve Jesoa tsy mandao
Na tsy mendrika aza ianao
Didy efa nomeny izany hoe Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Mpamaky : 876
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bigdog
Tamin'ny : 08/11/2014 17:55:58
ID : 6838

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo