Isaoranay (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

https://tononkira.serasera.org/hira/am-gaf-antoko-mpihira-gileada-anjomaranny-famonjena/isaoranay

1- Isaoranay ianao ry Ray nohon'ny Fitiavanao
Nirahinao ny fanahy anatrehanay izao
Vavolombelon'hanamafy zao fikasan'avy aminao
Miantso anao zahay ho avy atrehonao zao voady izao
Izay rehetra atao anio ombao hery ka tahio
Ny Voninahitra sy saotra ny dera sy ny laza koa
Ho Anao lay mpanamboatra ny hoavinay mba ho soa


2- Sombim-pitia avy aminao no nanambatra ho iray
Ny herin'ny Fitiavanao no nambomba sy nitahy
Tariho lalana sy taomy ary aza avela ahafoy
Ny teninao zaytononkira.serasera.org nolalainy efa nekeny hatram'izao
Ny faniriany tontosao, ampio finoana vaovao
Izay rehetra irin'ny fony ampanarao ny didinao
Izay rehetra mahasoa ho tanterahinao Tsitoha


3- Efa napetrany aminao zay mba takatrin'ny sainy
Fahendrenao no aoka hanao zay rehetra tsy mba hainy
Toroy mangina hahalala ny didinao zay tanjona
Ny fony tsy hifankahala, mandrakizay ho marina
Ireo taranaka omeo izay sahaza sitrakao
Zay hamboleny aoka hamoa ka hahavokatra tokoa
Apetraka aminao Tsitoha izay iriny anie ho toa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Mpamaky : 922
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bigdog
Tamin'ny : 11/11/2014 09:21:18
ID : 6845

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo