Iny Jesosiko iny (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

https://tononkira.serasera.org/hira/am-gaf-antoko-mpihira-gileada-anjomaranny-famonjena/iny-jesosiko-iny

1- Iny Jesosiko iny
Ka tiako ary koa tia ahy
Soa tsy mba misy tsiny
Fa itoeran'ny fanahy
Tsy mba manao lonjony
Fa mirana lalandava
Ka ny hatsaran'ny fony
Manala ny sento hisava
Iny Jesosiko iny
Dia afaka mampitony
Ny alahelo sy hafaliana
Izy no itokiana

2- Iny Jesosiko iny
Mahalefitra ny adalako
Manova ho mahafinaritra
Ny fiainako sarotsarotra
Manintsy sy manazava
Ny lalana izay alehako
Manampy ary koa manoro
Ny fiainako tsy hikoro
Iny Jesosiko iny
Mamalifaly lava
Zay adin-tsaina mampikoa
Ravany avokoa

REFR:

Izany ary no Jesosiko
Asa'Zay hevitrao
F'izay no safidiko
Hikelezako aina hatrany
Ny ho mendrik'azy iny
Satria aho tiany

3- tononkira.serasera.orgIny Jesosiko iny
Tsy hanaiky ahy hipitrapitra
Raha sendra aho ka tomany
Na indro fa hoe naditra
Sakanany tsy hahazo ahy
Ny famoiza-po adala
Ka ny tanany miambina ahy
Sady miantso ahy hoe ?malala?
Iny Jesosiko iny
Tsy manana sahala
Ny fitiavany lalaiko
Izy no fototr'aiko

4- Iny Jesosiko iny
Ka fototry ny hasambarako
Tsy mba mamitak'ahy
Fa mahalala izay anjarako
Raha sendra aho ka mirona
Ahitsiny moramora
Fitiavany sarobidy
No napetrany mba ho didy
Iny Jesosiko iny
Tsara sy tonga lafatra
Ny fitondrany tsisy tsiny
Izay ilay Jesosiko iny

REFR:

Izany ary no Jesosiko
Asa'Zay hevitrao
F'izay no safidiko
Hikelezako aina hatrany
Ny ho mendrik'azy iny
Satria aho tiany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Mpamaky : 735
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bigdog
Tamin'ny : 08/11/2014 17:56:16
ID : 6837

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo