Jesoa ihany (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- He! izato ianao variana mikarok'ery
Ireo zava-tsoan'ny tany irianao satria
Toa mibahan'ao antsainao ilay ambom-po
Sy ny voninahitr'aman-daz'olombelona moa

REF:
Jesoa ihany no ekeo hitarika anao
Izy ihany manova ny fomba fanao
Omeny hery sy tanjaka, aina vaovao
Zay rehetra matoky az'izao

2- Tsy voafehinao mazana izay ataonao
Ka na ny hetraketrak'aza dia lasa fanao
'Zay ambaranao mazana toa tsy iainanao
F'efa fahazarana no sisa sy toa kilalao

REF:
Jesoa ihany.....

3- Hoy ny razan-tsika hendry mananatr'anao
Ny tarehy no tsy azo ovana fa tsy ny fanao
Raiso ohatra ny Tompo, diniho sy araho
F'izay rehetra nolazainy dia mahasoa anao

REF:

Jesoa ihany..... (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Vangy : 1485
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bigdog
Daty : 07/11/2014 18:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0906