Andriamanitra Mahery (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

https://tononkira.serasera.org/hira/am-gaf-antoko-mpihira-gileada-anjomaranny-famonjena/andriamanitra-mahery

1- Andriamanitra mahery nanankinako ny fiainako
Niaro ahy tsy ho very nampitony ny fisainako
Hatrizay ka hatrizao tsy niova mihintsy ianao
Fa nambomba sy nitahy nankahery ny fanahy
Isan'andro vao mifoha eo anilako eo ianao
Mampitobaka ny soa sy ny FitiaTsiky dia ampyvanao


2- Hiandry tsoran-kazo ve vao hahalala ny handray
Zato fitiavan-dehibe natolotrao ho ahy
Soa ihany ianao fa hendry ka mahay mampandefitra
Tananao tsy hanendry kapoka mirefodrefotra
Am'ity mpanota adala tsy mahita izay ombany
Na minia tsy mahalala dia arovanao hatrany ×2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Mpamaky : 745
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bigdog
Tamin'ny : 11/11/2014 09:19:15
ID : 6843

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo