Havaozy ny talenta (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

1-Nisy voady natao taona maro lasa izay
Nanonolorana tena fa hanompo ny Ray
Niorenan'ny saina fa vonona hitory
Lay avotra soa zay hamonjena ny ory

REF:
Homba anao lay Jesoa ka dia havaozy izay nekena
Ary aza mba mihemotra fa dia miorena
Ny tena mpanompo mijoro milofo
Tsy resin'ilay ratsy mpifofo



2-Maro ny fitsapana efa nodiavinao
Tsy mba potrak'an-dalana ianao fa satria
Nanankinan'ny TTsiky dia ampyompo adidy an-tsorokao
Hitory ny anarany haharitra doria

REF:
Homba anao lay Jesoa....

3-Aza mierikerik'ianao fa mandrosoa
Ary havaozy ho soa ny talenta azonao
Tsofy indray ny Anjomara hanerana ny tany
Ka dia ambarao ny fandresen'ilay Nahary

REF:
Homba anao lay Jesoa...

CODA:
Jesoa efa nametraka anao ho fahazavana
Matoky anao hamiratra n'aiza no aleha
Ny hazo fijaliany namoizany aina
No tano hanome ny fandresena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Mpamaky : 719
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bigdog
Tamin'ny : 07/11/2014 18:42:10
ID : 6824

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo