Ny Fitiavan'Andriamanitra (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha mbola tena zazakely ianao
Dia nampianarina hahay hivavaka
Ka ny Fitiavan'Andriamanitra
No nitaizanan'anao mba hiavaka
Natoro anao ny toetra tena soa
Ka notandremanao ny hanao kitoatoa
Na zaza aza ianao dia tsy nanao kilalao
Izany Fitiavan'Andriamanitra

2- Nitombo saina sy fanahy ianao
Dia indro fa nanomboka namantatra
Ny manodidina rehetr'anao
Ka lasa nihozongozona tsy fantatra
Toa nahitao fifaliana ery
Ireo karazan'adalana hitanao tety
Mila ho adinonao izay nitaizana anao
Ka mila hivarilavo hatrany ianao


3- Lasa ny taona matotra ianao
Nanomboka namakafaka izay atao
Ka tsapanao fa tena hafa ihany re
Ny hoe manetry tena tsy mirehareha
Miverina ao an-tsainao avokoa
Reo fitaizana sy ny anatra natao taloha
Ka fanenenana no indro namerina anao
Mba hiova indray ka hiarina

CODA:

Fantaronao Jesoa ary ataovy ho rehareha
Ny teniny araho na aiza n'aiza aleha
Ny fandrik'i satana mivelatra ho anao
Ka mitandrema sao dia lasany eo ianao ×2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Vangy : 1349
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bigdog
Daty : 11/11/2014 09:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0932