FANIRIAKO (AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/ Faniriako ry Ray ô! Ny ho anilanao.
Ny ho isan'ny ondry izay tarihinao
ao an-dapanao.
Faniriako Jesosy ô! Itoeranao ny foko.
Ka ny làlan'izay itondranao ahy
no izorako.

2/ Na dia maro ny sakana;
Na ho lavitra ny làlana.
Tsy ho kivy aho Jesosy
Raha izay no tianao izorako.
Fa mba omeo hery aho;
Fo, Fanahy vaovao.
Ny Fahasoavanao Ray,
no tiako itafiana isan'andro.

Ref:
Ampianaro aho ry Tompo,
Ankatò sy hanompo.
Hahantanteraka tsara ilay Asa Tsara
Nomenao ho anjarako.

Vavaka: (amin'ny farany)
+ Chœur: (Ouh, ouh, ...)
Faniriako Jesosy, ny ho isan'ny ondrinao.
Ho feno ny Fitahianao ny fiainako.
Anjakain'ny Fitiavanao ny fiainako.
Ny momba ahy rehetra Jesosy,
Eny, raha sitrakao dia:

+ Chœur:
Ny Fahasoavanao Ray,
no tiako itafiana isan'andro.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
Vangy : 231
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fanafy
Daty : 25/03/2023 09:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0851