Voromby (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia lasa ilay voromby
Hitondra an'ialahy hiampita ny
Ranomasimbe mangeniheny
Dia niverina ao an-doha
Ny fahazazantsika taloha
Nefa izao toa nofy daholo sisa ireny

Izaho izay zatra niantehitra taminao
N'inon'inona atao
Fony mbola zazabodo vao
Na ny ratsy na ny soa
Nolalovantsika amin'ny fo feno hafaliana

Fa ny ranomaso no tsy avela hirotsaka
Hanamando indray ny tany
Izay vontom-pahoriana.

Izaho izay zatra niantehitra taminao
N'inon'inona natao
Fony mbola zazabodo vao
Na ny ratsy na ny soa
Nolalovantsika amin'ny fo feno hafaliana

Tsy ho kivy hoy aho,
Tsy ho ela hoy aho,
Mety hifankahita indray.



Tonony sy feony : Ndrina Ranaivo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zopanage
Vangy : 3379
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/11/2012 18:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012