Taitairo (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa raha resy ianao androany
Araraoty ny ampitso
F’aza mora reraka
Mbola ho lavitra anie ny dia
Tsy mba misy ny voahozona
Mba handrotsa-tomany
F’araho vazo moramora
Dia ho maivana ianao

Fa raha orana mikija
Oran-drano be fifaoka
Nefa raha fetsy ianao mbola hijinja
Hihinam-bary misy laoka

Fa raha resy ianao androany
Mbola andro koa ny ampitso
Mbola andro avokoa
Ny fiainanao rehetra
Iezaho hatrany hatrany
Ny ankolafiny rehetra
Fa raha tanterakao izany
Dia ho tonganao ’lay fetra

Fa raha ambony ianao
Noho ny saina sy toetra
Hitangorona aminao
Ireo izay tsara rehetra


Tonony sy feony : Harinaivo RABEVALA (1982)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zopanage
Vangy : 6667
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/12/2003 05:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116