Fety mendrika (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Faly ny fo miramirana
Fa nahatratr’ity andro iray
Andro lehibe tsy manam-paharoa tokoa
Andro iray ‘zay nandrasan’ela
Ny Tompo no miantso ka aza ela
Hitsaok’Ilay Zaza vao teraka

Fiv: Ho afaka ny mitaraina
Raha Jesosy no atao ao an-tsaina
F’Izy ihany no Tompon’ny fiainana
Ny andro Noely: fankalazana
Fa tsy mba fanaovana hadalàna
Ny fety ataovy mendrika

2.Gaga ny saina mandinika
Ny andavanandro ‘zay hitanao
Hadinonao ny fototry ny soa
Fa mameno bar any ankamaroany
Tsy te hahalala Jesosy intsony
‘Zay tonga mba hamonjy anao

Fiv: Ho afaka ny mitaraina
Raha Jesosy no atao ao an-tsaina
F’Izy ihany no Tompon’ny fiainana
Ny andro Noely: fankalazana
Fa tsy mba fanaovana hadalàna
Ny fety ataovy mendrika

(Solo)
'Zao re no hafatra ataoko anao
O ry kiaky sy neny o! Mba avelao
Ny sigara sy toaka dia tsy mahaso(a)
F'andao hiara-hidera an'Ilay Tsitoha
Fa ny andro Noely fankalazana
Tsy fanaovana revy sy hadalana
Fitiavana (no) nidina tety
K'andao hiara-hidera an'Ilay Mesia e!

Fiv: Ho afaka ny mitaraina
Raha Jesosy no atao ao an-tsaina
F’Izy ihany no Tompon’ny fiainana
Ny andro Noely: fankalazana
Fa tsy mba fanaovana hadalàna
Ny fety ataovy mendrika

A/C: Ny Vatofantsika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 1319
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 20/12/2018 19:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0708