sitrano ny taninay (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ô miantso anao izahay
Henoy ny antsonay fa mitalaho
Jereo ny fiainanay, fa maro loatra ireo
Toetra ratsy izay manimba ety

Tompo ô, miangavy mba midina ianao
Vonjeo ny taninay, fa mila anao
Mitodika aminao, miandrandra, mitalaho
O Vonjeo ny taninay, fa mila anao

Raha misy roa na telo ety an- tany ety
Mifanaiky fa hangataka izany
Izao no lazaiko anao : ho eo afovoany aho
Hamaly ireo izay fitarainanao

Tompo ô, miangavy mba midina ianao SATB
Vonjeo ny taninay, fa mila anao SATB
Mitodika aminao, miandrandra, mitalaho SA /SAT
O Vonjeo ny taninay, fa mila anao

Raha miantso ahy hianao SAT
Izaho hamaly anao solo
Hanasitrana indray ny taninay SAT
Ny taninay unisson

Tompo ô, miangavy mba midina ianao
Vonjeo ny taninay, fa mila anao
Mila ana….a..a.ao
Raha miantso ahy hianao
Izaho hamaly anao
Hanasitrana indray ny taninao
Raha miantso ahy hianao
Izaho hamaly anao
Hanasitrana indray ny taninao

Hanasitrana indray ny taninao
Ny taninao
Hanasitrana indray ny taninao
Ny taninao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ikopa antoko mpihira
Visites : 19
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Xtella
Date : 24/02/2026 18:13
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0435