inty aho (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
injao misy feo manako mibitsika aminao
miantso anao hanao ny asany
hitory ny evanjely amin'izao tontolo izao izao
moa vonona ianao?

inty aho
mitenena fa mihaino anao aho
hanao ny sitrakao no iriko
inty aho

ilay teny tonga nofo no nidina tety
no indro ambarako eto anio izao
ilay hira vaovao ataony eny am-bavako
sy 'zao tontolo izao

inty aho
mitenena fa mihaino anao aho
hanao ny sitrakao no iriko
inty aho

arotsahy aminay Andriamanitra ô
ilay Fanahy Fitiavana avy aminao
maniry mafy izahay ny handray anao
ka hanjaka am-ponay mandrakizay

iray fo.....mandrakizay
.....
arotsahy aminay Andriamanitra ô
ilay Fanahy Fitiavana avy aminao
maniry mafy izahay ny handray anao
ka hanjaka am-ponay mandrakizay

inty aho
mitenena fa mihaino anao aho
hanao ny sitrakao no iriko
inty aho
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ikopa antoko mpihira
Visites : 17
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Xtella
Date : 24/02/2026 18:05
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0591