Tsy irery mihitsy aho (Tvbroadcasting)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voafitaka aho nafoy,Ny niantra tsy mba nisy.
Dia_izao tokoa ilay hoe resy .
Nitady toky aho nefa indrisy.
Mavesatra ny fo; andositra aiza moa?
Mba iza moa no andraindraiko,
Mangidy loatra no zakaiko.
Ref :f’izaho tsy irery ,izaho tsy very
Jehovah miahy sy miaro ahy
Dia izy efo foana ary izy hijery
Ka tsy hamela ahy hiady irery
Raha miantso aho dia ho henoiny
Tsy irery aho , tsy hafoiny.
Izay mety ho sarobidy
noho ianao dia hafoiko.
Na mety mbola hanary ahy
ny olona akaikin’ny foko
Ianao ny ahy no itokiako.
Ianao no hataoko Rova.
Hifikitra Aminao aho
F’Ianao ilay tia ahy tsy mba miova
Ref :f’izaho tsy irery ,izaho tsy very
Jehovah miahy sy miaro ahy
Dia Izy efo foana ary izy hijery
Ka tsy hamela ahy hiady irery.
Raha miantso aho dia ho henoiny.
Tsy irery aho , tsy hafoiny.
(v: izaho tsy very) (l: izaho tsy very)
(v) Jehovah miahy sy miaro ahy
(l-v) Dia Izy efo foana ary izy hijery
Ka tsy hamela ahy hiady irery.
Raha miantso aho dia ho henoiny:
Tsy irery aho , tsy hafoiny.
JWBroadcasting July2018
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : TvbroadcastingVisites : 805
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : raniNi1
Date : 19/09/2019 18:42