Tia, tena tia (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy andro iray izay mbola tsaroako
fa tamin’izay no babo ny foko
Nifanaiky isika hiara-droa
fa nitovy fitempon’ny fo.
    
Ref: Raha tena fitia dia izao no tsiambaran-telo
        Hoe ataovy toy ny tady randran-telo
        Ka Jehovah no ekeo mba hitsinjo ny dia
        Tia anao aho,tsy hiova ho doria
        Fa tia tena tia; (tia tena tia)
        (oh oh)  tia tena tia;(tia tena tia)

Maro no hifandimby
Ao ny mamy ary ao koa ny mangidy
Ny fitiavan-tsika mbola ho mafy ,
randra-telo tsy ho tapaky ny antsy.

Ref: Raha tena fitia dia izao no tsiambaran-telo
        Hoe ataovy toy ny tady randran-telo
        Ka Jehovah no ekeo mba hitsinjo ny dia
        Tia anao aho,tsy hiova ho doria
        Fa tia tena tia; (tia tena tia)
        (oh oh)  tia tena tia;(tia tena tia)
                    
          Fanomezan’ilay Ray(avy amin’ilay Ray)
          No nahatonga antsika roa nofy iray(nofy iray)
          Fitiavana lalim-paka sy mahery
          Izay atokako ho anao,ho anao samirery
          Ka raha mbola eto an-tany aho ,ry malala tsy foiko
          dia hitempo anao foana ny foko.

Soa ihany aho fa nahita anao
   Soa ny antsika fa tsy kilalao
      Tsy nanenenako hoe vadiko ianao
         Tsy nanenenako hoe tia anao(oh oh,tiako ianao)
        
Ref: Raha tena fitia dia izao no tsiambaran-telo
        Hoe ataovy toy ny tady randran-telo
        Ka Jehovah no ekeo mba hitsinjo ny dia
        Tia anao aho,tsy hiova ho doria
        Fa tia tena tia; (tia tena tia)
        (oh oh)  tia tena tia;(tia tena tia)

                  JWBroadcasting April 2018
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228