Omeko anao ilay zanako tsy foiko (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
V- ‘Lay zanakay lahy, harena nomenao ho anay.
Notiavina, nofaninana.
Lehibe izao izy,nanao safidy
Tsy  very maina ny ezakay.
        Ref: ‘Zao àry izy handao ;na malahelo aza aho
                 dia fantatro f’Ianao indray
                 no Ray hitantana azy izao,sy ho mandrakizay.
                 Amin’ny hoavy koa ho tony foana ny ato am-po.
                 Omeko anao ilay tsara indrindra.
                 Omeko anao ilay  tsy foiko.

L- ‘Lay zanakay vavy, ’lay valisoa avy aminao.
Dia  nolalaina sy notezaina.
Tao ny hakiviana, tao hafaliana
Ka  reharehanay  izao.
      Ref: ‘Zao àry izy handao ;na malahelo aza aho
               dia fantatro f’Ianao indray
               no Ray hitantana azy izao,sy ho mandrakizay.
               Amin’ny hoavy koa ho tony foana ny ato am-po.
               Omeko anao ilay tsara indrindra.
               Omeko anao ilay  tsy foiko.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2933