Ataoko an-tsaina foana ny fampahatsiahivanao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ahoana re eee?
‘Zaho mba te handeha.
Tsy voatery ho ratsy any na voatery hialana.
‘zah ange raha mba mankany tsy hoe fahotana.
Mba lazao ahy fa tsy haiko ange ‘zay zava-dehibe.
    Ho diso aho ve eee ,raha hoe te handeha?
    Raha misotro ny olona any mety tsy hafehy tena.
    Raha mandeha mankany hita fa tsy fahendrena.
    Oh! Aiza ny lalan-kaleha?
    Jehovah miangavy anao re.
Ref : Ianao mampatsahy ahy dia mamiko izany.
         Rehefa hisafidy aho,tsaroako avy hatrany.
         ‘reo fampianaranao ,ireo torohevitrao,  ’zay no ataoko an-tsaina.
Izay tokony hatao,
efa ao an tsaiko ao.
Ny ahy  tsy tiako aloha ny hampatezitra azy  ireo.
Fa ‘zaho  ‘ndray tsy ho any fa sao mahita olana eo.
Izay no efa hitako hoe mety,
Tsy handeha amin’lay fety.
Ref : ……..
        Ilay bokinao no vakiako isan’andro;
       Satria mampahatsiahy ahy maraina, atoandro.
       Manampy ahy lalandava ka lasa mazava…
         ‘zay  tokony hatao sy izay sitraponao…
            ‘Reo fampianaranao ,ireo torohevitrao…
              no ataoko an-tsaina.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tvbroadcasting
Visites : 735
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : raniNi1
Date : 14/08/2019 17:57
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1285