Tenin'ny fiainana (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Hankany amin’iza moa izahay?Hianao ‘Lay tsy miova, no mandrakizay
Hianao Tompo ô! no manana ny tenin’ny fiainana
Mandrakizay hianao no làlana
Ka na dia maro aza no te-handrava
Eny an-dalandalana eny sanatria
Ny teninao dia tsy mba ho rava
Lay fanilo zay mitsilo sy manazava
Réf: Soa fa nomenao ahy e!
Ilay sabatry ny fanahy
Teny mandresy ny ady e!
Famonjena ho an’izay mitady e!
2.Teninao mofon’aina isan’andro
Sady hery velona no masoandro
Mitarika ny diako, mitsinjo izay alehako
Mandrakizay ho an’ny fiainako
Fa ny teninao tsy maty no maharitra
Zay mamelom-belon’aina mahafinaritra
Enga anie hamoa zay nafafy
Famonjena ho an’izay manavao fitafy
Réf: Soa fa nomenao ahy e!
Ilay sabatry ny fanahy
Teny mandresy ny ady e!
Famonjena ho an’izay mitady e!
Io ‘lay teny tsy maty
Manadio ny ato anaty
Teny soa hatrizay
Velona mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antoko Mpihira Taratry ny mazavaVisites : 425
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : faliherijaona17
Date : 18/05/2025 00:08
