Tsofy Rano (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dada malala, Neny tiako
Ny ahasambatra anareo anie no hany mba faniriako
Fa izaho mbola miady aho, eny ekena
Aza manahy fa tsy maintsy hamaly babena

Dada efa niteny hoe mahereza aza kivy
Neny nampitraka na tao anatin'ny mangidy
Efa lehibe aho izao ka hiezaka ny hamita adidy
Fahaiza-miaina efa nomenareo ahy ny fanala hidy

Tsofy rano aho Dada
Omeo tso-drano aho Neny fa hitady izay mahasoa
Efa lehibe fa tsy zaza
Aza manahy fa ireo anatrareo tsy ho adinoko
Fa mitoetra ato am-poko

Ireo ditrako taloha, tena nanenenako
Ifonako aminareo, tsy ataoko manin-droa
Ianareo ampingako, fialofako sy heriko
Tsisy tsy miafina aminareo izay misteriko

Dada efa niteny hoe mahereza aza kivy
Neny nampitraka na tao anatin'ny mangidy
Efa lehibe aho izao ka hiezaka ny hamita adidy
Fahaiza-miaina efa nomenareo ahy ny fanala hidy

Tsofy rano aho Dada
Omeo tso-drano aho Neny fa hitady izay mahasoa
Efa lehibe fa tsy zaza
Aza manahy fa ireo anatrareo tsy ho adinoko

Tsofy rano aho Dada
Omeo tso-drano aho Neny fa hitady izay mahasoa
Efa lehibe fa tsy zaza
Aza manahy fa ireo anatrareo tsy ho adinoko
Fa mitoetra ato am-poko

Tsofy rano aho Dada
Omeo tso-drano aho Neny fa hitady izay mahasoa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanjona Randrianarivelo
Visites : 374
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anaf Andriam
Date : 08/05/2025 12:30
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0828