Tohatra (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aleonao nisafidy azy, dia aleonao nanary ana,
Ianao ilay mba nantenaiko, niriako ho Silam-panahy
Fa mitrongy vao homana za hoy ianao,
Tsy mahavita manao izay sitraponao,
Dia aleonao nisafidy azy, dia aleonao nanary ana.

Dia nataonao tohatra fiakarana aho, nefa tsy mampanahy,
Tsisy nanenenako ireo soa nataoko anao f'aza manahy,
Mahavita miaina aho na dia tsy misy anao,
Reo lasa taloha soloiko pejy vaovao,
Matoa tsy tanteraka, tsy ianao no anjarako fa olon-kafa.

Tena niezaka kosa aho ho anao tamin'ireny,
Niezaka nampifaly sy nanasitrana fery,
Dia vao sitrana ianao dia namitaka ana,
Hoy ianao hoe: "za tsy mahatohitra fakam-panahy"
Kodiaran-tsarety ny fiainana ka tandremo ary ianao io sao dia lavo.

Dia nataonao tohatra fiakarana aho, nefa tsy mampanahy,
Tsisy nanenenako ireo soa nataoko anao f'aza manahy,
Mahavita miaina aho na dia tsy misy anao,
Reo lasa taloha soloiko pejy vaovao,
Matoa tsy tanteraka, tsy ianao no anjarako fa olon-kafa.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanjona Randrianarivelo
Visites : 237
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Natolotrniavo
Date : 29/10/2024 01:45
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821