SAMBATRA AHO (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mba vola na ny harena eto an-tanyNo ilaiko sy katsahiko hatrany (fa satria)
Vetivety dia ho fongana sy lany
Tsy izany fa ny lanitra ihany
Sambatra aho nahazo toky avy Aminao
Dia lay Paradisa ho lovako
(Paradisa ho lovako)
Ho fonenako raha miala ety Jeso
Inty aho ho Anao mandrakizay
Fa ny toky dia tsy maintsy ho tafita
Na dia betsaka aza ireo ota efa vita
(nefa mino aho)
Fa voavela ka hisolo famonjena
Tsy voavidy vola be amin-karena
Sambatra aho nahazo toky avy Aminao
Dia lay Paradisa ho lovako
(Paradisa ho lovako)
Ho fonenako raha miala ety Jeso
Inty aho ho Anao mandrakizay
Tsy mba misy izay azoko atao izao
Hamaliana ireo soa vitanao
(ka ny saotra)
Fiderana no atolotra Anao Jeso
Ho Anao, ho Anao Mpamonjy ô
Sambatra aho nahazo toky avy Aminao
Dia lay Paradisa ho lovako
(Paradisa ho lovako)
Ho fonenako raha miala ety Jeso
Inty aho ho Anao mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : STK FJKM Ambatomena AntananarivoVisites : 625
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jockl
Date : 03/02/2020 19:14