MISAORA AN'I JEHOVAH (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaora an'i Jehovah
(ry ô) Ry olom-bery ô !
(Fa ton) Fa tonga ho antsika (Ilay)
Ilay, 'lay Mpamonjy
Nafoiny ho antsika (ny vo)
Ny voninahiny
(Indro terak'ory)
Ilay mpanavotra antsika

Ka mba asandrato re ny feo
Hidera, hidre'Ilay mpanafaka
Hirao ny tsanta tsara
Ka mba atolory re ny fonao
Omeo, omeo Azy Tomponao
(Ilay) Ilay Mpanavotrao

Ry voasatro-tsilo (sy vo)
Sy voakapoka (nola)
Nolatsaina, nalaim-baraka koa
Naratra, novonoina
Ny hazo fijaliana
(Nozakainao)
Nijaly re ny Tompo tia

Tsaroana ao am-po ny vitanao
Nanaiky hisolo voina anay
Noho ny helokay
Tsaroana ao am-po mandrakizay
Fa niaretanao 'reny rehetr'ireny
(Ho fa) Ho famonjena anay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Visites : 467
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jockl
Date : 01/02/2020 07:59
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0884