FITIAVANA AMBONY (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy famonjena izay nomena
Nentin'i Jesoa nanetry tena
Teo ambony hazo fijaliana
Izy no nisotro ny tsy tiana

Io ilay fitiavana ambony
Nomeny ho an'ny olona tsy foiny

Dia natolony ny ainy (Fitiavana)
Ny otantsika nofafany (Fitiavana)
Hamonjena izay rehetra mino Azy

Feno toky re ny fanahy
Fa Jesosy Tompo no miahy
Afaka ny ota tsy hisy intsony
Fa nomena ilay FITIAVANA AMBONY

Zovy no tsy hangoraka amin'izany
Foiny ho antsika ety an-tany
Ny maha Andriamanitra ambony
Izay fiadanana any dia nafoiny

Ny hamonjy antsika no kendreny
Ka na dia ainy aza no nomeny

Dia natolony ny ainy (Fitiavana)
Ny otantsika nofafany (Fitiavana)
Hamonjena izay rehetra mino Azy

Feno toky re ny fanahy
Fa Jesosy Tompo no miahy
Afaka ny ota tsy hisy intsony
Fa nomena ilay FITIAVANA AMBONY

Feno toky re ny fanahy
Fa Jesosy Tompo no miahy
Afaka ny ota tsy hisy intsony
Fa nomena ilay FITIAVANA AMBONY
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Visites : 526
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jockl
Date : 28/01/2020 19:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829