DERAINAY FOANA (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô ! derainay foana foana ny anaranao
Izahay no toy izao dia satria teo Ianao
Niaretanao ny mafy hamonjena anay
Vitanao mihitsy ny nihafy satria tianao izahay
Tompo ô ! derainay foana foana ny anaranao
(ny anaranao e ! deraina Ianao e !)
Izahay no toy izao dia satria teo Ianao
(tsy adino, tsy adino)
Niaretanao ny mafy hamonjena anay
(mahery Ianao e ! mahery Ianao e !)
Vitanao mihitsy ny nihafy satria tianao izahay
(misaotra Anao Ray e !)

Tianao izahay e ! Ianao no anay e !
Izahay voavonjy ! misaotra Jehovah Ray e !
Ny fiainanay e ! Sy ny fanahy e !
Tsy tianao ho very ! itoetra eo anilanao mandrakizay e !

Tompo ô ! Asandratray foana foana ny anaranao e !
(ny anaranao e ! deraina Ianao e !)
Ny tananao mahery no mbola mihazona anay sy mombanay e !
(tsy adino, tsy adino)
Ianao mampanalavitra anay amin’ny fakam-panahy e !
(mahery Ianao e ! mahery Ianao e !)
Tianao ho mpandresy izahay, mpandresy mandrakizay e !
(misaotra anao Ray e !)


Tianao izahay e ! Ianao no anay e !
Izahay voavonjy ! misaotra Jehovah Ray e !
Ny fiainanay e ! Sy ny fanahy e !
Tsy tianao ho very ! itoetra eo anilanao mandrakizay e !
Hanompo Anao e ! Hanaiky Anao e !
Hidera Anao e ! Izahay zanakao e !
Hanompo Anao e ! Hanaja Anao e !
Tsy hiala Aminao e ! Izahay zanakao e !

Tianao izahay e ! Ianao no anay e !
Izahay voavonjy ! misaotra Jehovah Ray e !
Ny fiainanay e ! Sy ny fanahy e !
Tsy tianao ho very ! itoetra eo anilanao mandrakizay e !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Visites : 832
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jockl
Date : 28/01/2020 19:20
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076