Izaho dia hijoro (SLK Miantsa ATV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na mafy na mora dia tsy maninona
F'izaho tsy matahotra n'inona n'inona
Izaho dia hijoro fa tsy matahotra
Jeso no atokisako fa mpanavotra

Ianao Tompo tsara ô no ato anatiko
Ny miaina eo anilanao tena lasa satriko
Ianao re no tompoko mety amiko
Ny hafa akoatra anao dia ho laviko

1-Ianao no anakinako ny fiainako
Tsy misy hafa tsy ianao no hitarainako
Na misy fankam-panahy izay misarika
Ho laviko fa izaho tsy mivadika

2- Ianao no mitarika sy mitantana
Na midina na koa miaka-piakarana
Na miolaka na mahitsy no halehako
Ianao tokiko sy ho reharehako

Ianao Tompo tsara no tena lafatra
Ny foko izay babonao tena sambatra

Tsilovy sy hazavao re ny lalako
Miangavy tantano aho ity ny tanako

Mpanoratra: Gabriel
Randriamaromahefarison
==Slk Miantsa ATV==
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SLK Miantsa ATV
Visites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : LalainaRakoto
Date : 30/03/2026 18:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0582