FANIRIANA ATO AM-POKO (SLK Miantsa ATV)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Faniriana ato am-pokoHolazaino aminao
Miangavy re ry Tompo
Mba henoy ty zanakao
Tsy inona no tiako ambara
Sy mba angatahako
Fa i Madagasikara
Ilay tanindrazako
2- Zahay samy malagasy
Nefa samihafa loha
Fa miady mifandrafy
Mahamenatra tokoa
Fa ilay fitiavatena
No mibahana ao an-doha
Lay fitia sy fahendrena
Atakalo tombotsoa
Réf:
Tompo malala o jereo zahay
Ianao mahalala ny momba anay
Tompo tsara o ,avia vonjeo zahay
Ny soa sy ny tsara omeo anay
Lahatra sy anjara tsy lavinay
Saotra haja ho Anao mpanjakanay
3- Efa mila tsy ho zaka
Maro be ny olana
I satana no manjaka
Sy manakorotana
Ity nosinay tohano
Mba handroso re ry Ray
Ny vahoakanao tazano
Ampianaro hifandray
Zahay samy malagasy
Nefa samy hafa loga
Fa miady mifandrafy
Mahamenatra tokoa
Fa ilay fitiavantena
No mibahana ao an-doha
Lay fitia sy fahendrena
Atakalo tombotsoa
Réf:
Tompo malala o......
A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON Gabriel
===Slk miantsa ATV . 2023===
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SLK Miantsa ATVVangy : 240
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LalainaRakoto
Daty : 25/01/2024 16:42