Miorena tsara (SLK Miantsa ATV)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1: Misy ny onja-mpiainana,zay tsy maitsy sedraina ety
Nefa raha toa ka fitarainana no andresena izany dia tsia
Tsapako ary tsy laviko tena mafy izao fiainana izao
Saingy tsy mba mety amiko raha ho resy tsy miady ianao (x2)
Refrain:
Hevitra tsotra tsy maitsy mitondra hafaliana ho anao dia izao
Aza kanosa manana finoana raha te ho tafita ianao.
N'inona na inona zava-manjoa
Tsy maninona fa mijoroa mifahara matokia ny lanitra iry.
Ao lay lapa tena soa , sy mpanjaka Ray tsitoha.
Ao ny Tompo sy mpamonjy tena tia.
And 2:
Misy mandre fitarainana dia mazoto manampy ianao.
Misy tsy hoe fahalainana tanampolo tsy misy azo atao.
Misy mamonjy fa namana nefa te mba hamingana anao
Misy dia mody tsy manana fa tsy te anome tsotra izao.
(*2)
Ref: Hevitra tsotra tsy maitsy mitondra hafaliana ho anao dia izao.
Aza kanosa manana finoana raha te ho tafita ianao.
Na inona na inona zava-manjoa
Tsy maninona fa mijoroa
Mifahara matokia ny lanitra iry
Ao lay lapa tena soa sy mpanjaka Ray tsy toa .
Ao ny Tompo sy mpamonjy be fitia.( *2)
Miorena tsara ,aza miova ho doria.
Mpanoratra: Randriamaromahefarison Gabriel. Slk/ATV
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SLK Miantsa ATVVangy : 249
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LalainaRakoto
Daty : 14/01/2024 13:09