ALEO MIFAMPIRESAKA (SLK Miantsa ATV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1a- Raha sendra ka tezitra dia aleo mieritreritra
Mba aleo re misaina ka lanjalanjaina ny teny lazaina
Aza dia etim-po,sy manao be loha
Aza dia misavoana ka hinaonaona amin'izay manoloana.

1b- Mahagaga re olona fa dia misy manozona
Misy koa ny miady fa tezitra mafy ka miteny ratsy
Dieny izao miresaha,fa tsy mamo vao sahy
Misy koa tsy mitsotra satria dia kanosa ka lasa mifosa.

Fiverenany:
Tsy midika oe resy ny olo-mangina tsy tia mikorotana
Fa izao ho aho lehiretsy ny fifamaliana tsy mba vahaolana
Tsy aleo ve miresaka mifanazava sy mba mifandamina
Dia mahaiza mipetraka sy mifanaja dia miaina milamina.

2a- Raha misy ny olana dia aleo re takonana
Fa tsy andeha hitatara amin'ny olona hafa sao afa-baraka
Avonavona ve ? Ary ny vava be
Tsy midika hoe mety na koa hoe mpandresy satria mampihetry.

Tsy midika ho resy ny olo-mangina tsy tia mikorotana
Fa izao hoaho lehiretsy ny fifamaliana tsy mba vahaolana
Tsy aleo ve miresaka mifanazava sy mba mifandamina
Dia mahaiza mipetraka sy mifanaja dia miaina milamina.

Hoy ny Tompo :tezera fa aza manota f'izany tsy mendrika
Dia andao hifamela satria zava-doza ny kibay an-kelika
N'inona n'inona tranga tsy maitsy miravona rehefa miresaka
Ka ny vola saranga tsy atao mba hanaloka antsika miresaka.

A/C RANDRIAMAROMAHEFARISON Gabriel
==SLK MIANTSA ATV==
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK Miantsa ATV
Vangy : 113
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LalainaRakoto
Daty : 25/01/2024 16:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759