Faha 25 taona 'Lay Mpiantsa Soa (SLK 'lay Mpiantsa Soa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity ilay andro tena soa
Sady hanehoanay koa
Fa mbola ny fitiavanao tokoa
No mampijoro sady mampifoha

Tsy mba hery na koa tanjaka
Fa tena fihevitrao tsy takatra
No nihazona tsy hirona
Hahatontosa fanompoana
Ka ho lehilahy mahery fo
Ho miaramilan'i Jesoa

Ny ho avy izay tsy anay
Mety ho tsara mety hahamay
Aoka Ianao Ilay kapiteny soa
Hitarika ny dia eo aloha

Tsy mba hery na koa tanjaka
Fa tena fihevitrao tsy takatra
No nihazona tsy hirona
Hahatontosa fanompoana
Ka ho lehilahy mahery fo
Ho miaramilan'i Jesoa

Tsy mba hery na koa tanjaka
Fa tena fihevitrao tsy takatra
No nihazona tsy hirona
Hahatontosa fanompoana
Ka ho lehilahy mahery fo
Ho miaramilan'i Jesoa
Ka ho lehilahy mahery fo
Ho miaramilan'i Jesoa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1239