Ifonako (SAMIFI FJKM AMBODIFASINA PENIELA FITAHIANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ifonako Tompo, ny adalana izay vitako
eny tsy mendrika aho
na dia ny hiantso ny anaranao
manatona anao anao, miangavy mitalaho
mandoalika an-tongotrao
neniko ny vitako hatrizay
mitaraina aminao, mba mihainoa izao
inty aho Tompo o
mivalo mitalaho

Ianao mahalala ahy, ianao mahafantatra ahy
voadinikao ny toetro sy izay alehako rehetra
ho aiza moa aho raha alavirinao
koa manonona teny iray hampitony fanahy
dia ho sitrana aho
izay dia ampy ho ahy

fantatro Tompo o, mpanota tsy mendrika anao aho
nefa mbola mino aho
fa mihaino ahy Ianao
afaka handray ny fitarainako
mandoalika an-tongotrao
neniko ny vitako hatrizay
mitaraina aminao, mba mihainoa izao
inty aho Tompo o
mivalo mitalaho

Ianao mahalala ahy...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1423