Ny fitiavantsika (Ny any aminay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarobidy sady masinany voady nifanaovana
tapitr'eo ny sangisangy sy ny ora nilalaovana
fa vonona hijoro, hifanaiky ny ho doria
hibanjina ny ho avy, hanamafy ilay fitia
x2

Ref:
Fiaim-baovao, arahim-pitiavana
No hery ho entintsika, hitsinjo Tanindrazana
Hasambaram-pifaliana, hatreto ka hatrany
Ho tretrika isika, hiadana ny tany

Hifampitanana eny, handrato fahendrena,
hikatsaka ny soa, hitana izay nekena
Hiombon'alahelo, ifampizara hafaliana
hanondana ny loha, eo an-tratran'olon-tiana
x2

Ref 2:
Fa tany paradisa, akany volamena
io no tanjontsika, ary ho any Firenena
Ho kolointsika hatrany, ilay fitiavan-tsarobidy
ho vatsim-panahy, hiatrehana ny adidy.

A/C: Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny any aminay
Visites : 1607
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : zo_nomena
Date : 02/12/2019 08:41
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139