You are here: home > Tononkira > Ny any aminay

Tsy manadino (Ny any aminay)

Madiva ho somambisamby
Iny vodi-lanitr'iny
Fa izy no tsy tafandry
Fa manina ny olon-tiany

Mikopaka sy mijery
Ra-vorona irony
Ny mitoetra irery hoe
Tsy tantiny intsony

Ref:
Raha manina ka misento (in-2)
Soraty ny taratasy
Fa izy hono hoe hatreto (in-2)
Manomana lakilasy

Mandimby ny fararano
Ririnina mamanala
Izy hono tsy tamana
Fa hodyTsiky dia ampy amin'ilay malala

Mandalo ao andrefan-trano
Ny "volks sy ny car"
Mba tazatazano e!
Fa ho avy hono ilay malala

Ref:
Raha sendra ka ho any ianao (in2)
Ny hafatro mba vimbino
Lazao sy ambarao fa (in-2)
Ny fony hoe tsy manadino

Raha manina ka misento (in-2)
Soraty ny taratasy
Fa izy hono hoe hatreto (in-2)
Manomana lakilasy

A/C: Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA

Mpihira : Ny any aminay
Mpamaky : 562
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : zo_nomena
Tamin'ny : 02/12/2019 07:41:35
ID : 12242

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo