You are here: home > Tononkira > Ny any aminay

Mahereza (Ny any aminay)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-any-aminay/mahereza

Noho ny ady ve dia amoy fo ianao
Mikiriza sombinaina fa fomban-tany izao

Dia ny ady ve izay tsy maintsy hatao
Dia ny ady ve, no hampilofika anao?

Ref:
Fa any andro, any volana
Iza moa no mety ahalala
Tsy hisy intsony angamba ny olana
ô mahereza re ry malala !

Noho ny fahoriana ve izay tsy azo iodiviana
Aza kivy, mitrakà,fa ny eto fivahiniana ô!

Dia ny ady ve izay tsy maintsy hatao
Dia ny ady ve, no hampilofika anao?

Ref:
fa any andTsiky dia ampyro, any volana...

Noho ny tanintsika ve, sa noho ny adintsaina
no mampisento anao , mitsangana sombiaina

dia ny ady ve izay tsy maintsy hatao
dia ny ady ve, no hampilofika anao?

Ref:
fa any andro, any volana...

N'inona n'inona hitranga, aza mba misalasala
jereo ny lala-kombana, mahereza ry malala ô

dia ny ady ve izay tsy maintsy hatao
dia ny ady ve, no hampilofika anao?

Ref:
fa any andro, any volana...

RAKOTONDRAINIBE Bernard / Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny any aminay
Mpamaky : 96
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zo_nomena
Tamin'ny : 02/12/2019 08:41:06
ID : 12245

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo