You are here: home > Tononkira > Ny any aminay

Ny Any Aminay (Ny any aminay)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-any-aminay/ny-any-aminay

Ry voro-manidina miakatra ambony
Ny ora-mikija, tsy mety mitony
Ny foko manembona ny Any Aminay,
Tsaroako voasintony mandrakizay

Ny akanga aza hono raha saraka ny ala
Mirioatra kanefa dia tsy afaka miala
Ny tena no lasa, mandao ity akany
Ny fo sy ny saina ô...miverina ihany

Irony tsiriry sy arosy aza anie
Toa manify trano Tsiky dia ampydia lasa mande
Kinanjo ny hariva miverina ihany
Tsaroany eny mantsy ilay dobo nialany

Ny tena no lasa, mandao ity akany
Ny fo sy ny saina ô...miverina ihany

Ary izaho sy ny foko mikalo mazana ô
Injao mifanjevo ka saro-bahana
Ny ventso sy hanina ilay tany iray
Dia indro aho mihira ô...Ny Any Aminay

Ary izaho sy ny foko...


A/C: RAKOTOARISOA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny any aminay
Mpamaky : 80
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zo_nomena
Tamin'ny : 02/12/2019 08:41:29
ID : 12243

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo