AZA AVELANAO HO IRERY (Ny any aminay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza avelanao ho irery
Na hangahiahy foana
Fa ampio ny herinao
Amin’ny ora sy fotoana
N’aiza n'aiza no haleha
N'inon'inona hatao
Ny andronay rehetra
Dia ankinina Aminao

Ref: Ambeno tsy hania aho e !
Sakambino tsy hivena
Marobe ny rendrarendra o !
Ny tany koa malama maina
Fa sarotra sy tery iny lälan’iny
Ka mila toky mila hery ity mpivahiny

Raha tojo fahoriana
Ka mila hamoy fo
Miandrandra fanampiana
Avy aminao ry Ray Tsitoha
Dia henoy ka valio
Ity foko mitaraina
Mangata-pitahiana
No sady manantena

Ref: Ambeno tsy hania ...


Raha baliaka ny masoandro
Ka mirana ny saina
Safononoka haravoana
Fa nahazo izay nilaina
Tsikitsiky lalandava
Fo fena fifaliana
lanao ry Ray Mpahary o!
No namafy fitahiana

Ref: Ambeno tsy hania ...

Tonony sy Feony: NAIVOARIVELO Rakotondratsimba
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 11/03/2023 10:41)
Ilay Mamy ny mody koa azafady :-)
Misaotra ooo
zoured ( 13/03/2023 10:06)
Eny ary tompoko o. Ianao no isaorana e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny any aminay
Vangy : 276
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zoured
Daty : 09/03/2023 11:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759