Andriamanitra o tahio (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Andriananahary ô
Nomenao anay ty tany soa
Zay maneho ny hatsara ny asanao
Tsy manam-paharoa (Nahoana moa e)
Fa nahoana moa no tsy hanaiky
Anao Jehovah Ray
Ho Andriamanitra iankohofanay
Iorenan i Finoana,hitoeran i fanahy
Ny filazantsara izay ahely
Hamonto sy hamaka
Dia naneho voa tsara fafy
An tany lonaka (Ka teny tsotra a)
Teny tsotra amin ny lalamari-
Ka sady sitrakao
Ty firenenay,ry Tompo masina ô
Isandratra tokoa re ny voninahitrao

REFRAIN:
Andriamanitra ô,tahio e ty nosinay(L)
Andriamanitra o tahio e ty(V)
Madagasikaranay
Hiposaka aminay,ny fahazavanao
Hanenika ny tany ny fahamarinanao
Hiadana finaritra ny vahoakanao
Ho sambatra tokoa e,ho sambatra izahay

2-Indrisy anefa Tompo o
Fa maro no miodina Aminao
Ao ireo manompo tompo roa
Minia mandrafy Anao(Ampinaro e)
Ampianaro ahay hiova fo
Hibebaka izahay
Hiala amin'ny ratsy izay fanao
Hiverina Aminao
Hivavaka Aminao
Reto malagasy analin-kisa
Ampanekeo ho iray
Fa ny hery sy ny fahefana
Anao mandrakizay(Ireo mpitondra a)
Reo mpitondra izay tinendrinao
Tolory fahendrena
Hanetry tena ho resy lahatra
Ianao ilay mpanjaka,ny voninahitra
REFRAIN 2 fois
Ho sambatra tokoa e,ho sambatra izahay

ANTSAN'NY FAMONJENA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Visites : 151
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : seles
Date : 17/04/2024 05:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709