Tantaram-pitiavana (N-mir'o)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Noraisinao ny tanakodia nijery ahy ireo masonao
ny sandriko niondananao
dia nolazaiko hoe tiako ianao
Iny lanitra iny anefa tsy ho takatro
fa ianao ilay tsy nandao ahy
fa ny fantatro tsy misy ahasolo anao
matoa saropiaro kely indraindray
Ilay tsikinao iny
anie mamy ho ahy
ireo orokao
mitondra hery ho ahy
raha ny hirahirako tsy ampy hilazana
ilay fitia mahery mandoro anatiko ao
raha sitrakao
dia izao dia izao
no hivantana any aho haka ny tananao
tsy hiandry ela satria
efa miraikitra ho tantaram-pitiavako ianao
ahy ianao
2-Ireo adiady anie sedra ihany
hanamafy orina ireo rehetra ho avy
ireo teny mamy efa nambarako hatrizay
ho tononkalo kely ahastiarovanao ahy
Iny lanitra iny anefa tsy ho takatro
fa ianao ilay tsy nandao ahy
fa ny fantatro tsy misy ahasolo anao
matoa saropiaro kely indraindray
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : N-mir'oVisites : 1202
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : nmirorhonan18
Date : 21/05/2021 23:38