Mandehana (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Hitako ianao
Mijery azy toy ny izy irery no eto an-tany
Tazako ianao
Mamihina azy mafy rehefa mandihy iny
Ilay hirantsika
Toa lasa hirahiranareo anio
Izaho eto sisa
Mipetra-drery mijery anao miampita fa

Angamba tsy ampy ireo nomeko hatrizay
Angamba koa efa nalazo ilay fitiavana
Ilay masoandro mpanazava ny dianay
Angamba efa nody
Nanorim-piainam-baovai indray

Ref: 'Ndana zory ny lalanao
Aza miherika mijery ahy intsony
Ataovy hoe ny fahasambaranao dia ampy
Hanasitrana izay ao ampony
Mandrotsa-dranomaso
F'olombelona ihany moa
Ataoko hoe fa ny antsika efa tsy anjara
Soava dia ianao mirary soa

2-Reo lasantsika
Efa noezahiko tsy fohazina intsony
Nefa indrisy
Manangatra ahy foana tsy mampatory
Tonga eto moa isika
Voatery hisara-dia ka hifandao
Fa ianao nisafidy
Hanorina fiainam-baovao
Any ho any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 518
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 14/05/2021 19:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801