Ny foko tia (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Efa fantatrao
ny am-poko ao
tsy misy miafina fa efa lasanao
kinta-aman'arivony, manjelatra ny lanitro
tsy hitady any an-kafa intsony aho fa efa ianao
Noraisinao ny tanako dia niara-droa
Ny anio tsy andro tsotra fa hiraikitra ao am-po
tsy volamena na voninkazo maro be
fa ilay fitiavanao ahy dia efa ampy hampahery

fiverenana:
Aleo izao tontolo izao no handre
izany porofom-pitiavako anao izany re
tsy hitady any an-kafa fa ianao ilay tokako akia
izany ny fo rehefa tia
ireo mikasa handrava
aleo ho any
fa natokana ho antsika akia ilay andro androany
ilay peratra dia marika eny an-tanana ihany
fa ilay fo tia dia hidoboka ho anao ho mandramaty
eny ho mandramaty

2- Rehefa marary aho teo foana ianao
raha sendra tomany aho dia nampihareninao
tsy haiko akia ny tsy hisaotra anao nitia hatrizay
raha toa nitora-bato ahy ireo hita hatramizay
Noraisinao ny tanako dia niara-droa
Ny anio tsy andro tsotra fa hiraikitra ao am-po
tsy volamena na voninkazo maro be
fa ilay fitiavanao ahy dia efa ampy hampahery
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 1128
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 21/05/2021 23:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3163