Resy (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Diso aho
Manaiky aho
fa indraindray tsy manana hery na hijery ny masonao
ireo lasa nataoko tsinotsinona varina
nijery ny akoatranao

Niezaka ianao ny mba hiteny
tsy tonga saina aho anie tamin'ireny
Anio lasa ianao vao tsapa
hay sarobidy kay ilay tokako teo

Refrain: Ilay tananao mitsotra makany
avia re mba fihiniko eto an-tratrako indray
Miverena mifona fa efa fay
mba hitodio kely na dia minitra iray
tsy hamerina intsony aho
ireny adisoko ireny
miverena mifona aho
fa efa resy
tsy hamerina intsony aho
Mandohalika mifona aho
fa efa resy
efa resy

2-Mahatsapa hoe tsy misy raha ny ahasolo anao
matoa miangavy an-tanan-droa mitalaho aminao
mamindra ambony tany
eny solafaka
toy ny vorona manidina
sembahin-drahona

Niezaka ianao ny mba hiteny
tsy tonga saina aho anie tamin'ireny
Anio lasa ianao vao tsapa
hay sarobidy kay ilay tokako teo

Niezaka ianao ny mba hiteny
tsy tonga saina aho anie tamin'ireny
Anio lasa ianao vao tsapa
hay sarobidy kay ilay tokako teo

Raha azo atao mba modia
aty yeah!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 594
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 21/05/2021 23:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5414