Henoy aho (ft Micka'l ARSAY'D) (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ekeko hoe izaho sy ianao
vao nifankahalala tsy ela akory izay
tsoriko fa hatramin'izao
izaho tsy mety mahita tory
Mieritreritra anao
lasa saina,lasa am-borona
fa ilay tiako ianao
hoy ianao hoe tsy vonona aho
mamirifiry

toa maizina avokoa akia ireo izay nodiavina
fa ianao no nanazava azy ny tena marina
miangavy anao
eny mitalaho
mba valio aho

fiv:Fa raha henonao izao
dia tsarovy fa ilay tia anao aty ka dia miandry
fotoana ahavonona anao
tsy quoi na dia tena aman-taona fa izaho hiandry
fa henoy aho
misento lava isan'andro mahatsiaro ho manirery
eto ambaravarakely
miheno ireo voronkely
ny saiko tsy mety raha hoe mpinamana fotsiny ihany
isika roa kely

2-Aza avela irery aho fa ny foko tena mila anao
satriko ny hitoetra,sy hipetraka eo anilanao
ka miangavy re aho
aza lavina fa tena tia
mitalaho aminao
fa ny foko tena mila an-dry

tiako ho tsapanao
fa tena babo loatra aho
ny faniriako dia ny ho eo anilanao
fa ianao irery ihany
no anolorako ny foko
ka henoy aho
raha toa sitrakao

fiv:Fa raha henonao izao
dia tsarovy fa ilay tia anao aty ka dia miandry
fotoana ahavonona anao
tsy quoi na dia tena aman-taona fa izaho hiandry
fa henoy aho
misento lava isan'andro mahatsiaro ho manirery
eto ambaravarakely
miheno ireo voronkely
ny saiko tsy mety raha hoe mpinamana fotsiny ihany
isika roa kely
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 1421
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 24/09/2018 21:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1935