Ho mandramaty (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fihino mafy ny tanako
Aza avela handeha sao dia ho very
Avia eto antratrako
hitantarako ireo tsiambarateloko
Ahitsio ny vavako
Raha sendra diso kely aho rehefa miteny
Fafao ireo lasako
izay rakotra haizina feno alahelo

Toa tazako eto isika roa kely niaraka hatramin'izay
tsy nifankafoy na dia niady indraindray
fa isika samy tia
ka tsy eken'ny saiko ny fiainana tsy misy andry
fa ny andro androanay andro hafa tsy toy ny omaly
fa anatrehan'ny ray no hanefy ilay voady
Na marary na salama
anilanao eo foana aho

Fiv: Dia ho mandramaty ianao no antsoiko hoe vadiko
fa tojo samy tia ka dia malaina hifanary
ilay teny ekeko tsy ampy anehoana ny ato ampoko
ilay marika antananao no ataoko ho porofo
ka ho hirahiraiko sy ho vazavazaiko
ho ren'ny rehetra fa ianao no ilaiko
diamondra safira lafo vidy amiko e
na misy hanaratsy,d'efa ianao no vadiko e

Enga anie ho lamaban'akoho ny antsika
fa ny anilanao amiko toa paradisa
toy ny lanitra eny ambony
feno kintana mazava
kanto ery
toa raozy anjaridaina mandravaka ny androko
ny eo anilanao ahazoako hery
izay tia hono adala
adala aminao aho malala

Fiv:....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 796
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 17/08/2019 10:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758