Adalam-pitiavana (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy hoe tsy mahalala tsy tiana anie matoa eto aho
F'izay no ataoko hoe "tia anao"
Mba mahalala maratra fa iafiko hoy aho raha ianao
Na atositosikao aza dia mbola ianao

Aleo ny andro hikotro-baratra,
Hanorana lava
Aleo ny mpitabataba rehetra
Ho tata-bava
Aleo ny foko hivoraka sy hivazavaza
Ireo tsy voalaza ny vava

Mba omeo iray minitra anie aho
Hihira ho anao
Dia sanatria ve dia tsy ho ahy intsony ny fonao?
Tsy mba mahay mitia fa eto ampianaro aho
Ny any haiko dia mivetsovetso toy izao

Fiverenana:
Akeo hiodina ny taona, aleo ny taona hifanesy
Fa tsy ho faty ato am-poko ireo izay vita rehetra
Ny fitiavana koa mantsy tsy voatery hoe hety
Indraindray mandratra,mahafaly
Indraindray koa manam-petra
Nefa tsy nahasakana ahy izany
Hijoro foana ho anao
Hanambitamby anao
Raha mitomany ianao
Ny soriko ankavia etsy mba hiankinanao
Dia averiko anao
Fa tiako ianao

2-Tsy manana tononkira ahakasika ny fonao aho
Na indraindray aza ny ao an-tsaiko hoe tsy ho ahy ianao
Fa toa tsy haiko azavaina
Fa tonga ho azy tao
Tonga ho azy tao
Eh!
Miakatra ny volana, feno kintana
Toy izay ireo masoko vao mahita anao
Haiko hoe maro no afaka maka ny toeranao
F'izaho sy ianao mahalala fa tsy misy ahasolo anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 513
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 28/11/2021 18:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1533