Henoy aho #2 ( TANTARAM-PITIAVANA) (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ekeko hoe izaho sy ianao
vao nifankahalala tsy ela akory izay
tsoriko fa hatramizao
izaho tsy mety mahita tory
mieritreritra anao
lasa saina lasam-borona
fa ilay " tiako ianao" hoy ianao hoe tsy vonona aho
mamirifiry
Toa maizina avokoa akia ireo izay nodiavina
fa ianao no nanazava azy ny tena marina
Miangavy anao
eny mitalaho
mba valio aho

fiv:
Raha henonao zao
dia tsarovy fa ilay tia anao aty ka dia miandry
fotoana ahavonona anao
tsy "quoi" na dia tena aman-taona
fa izaho miandry
nefa henoy aho
misento lava isan'andro
mahatsiaro hoe manirery
eto ambaravarakely
mihaino ireo voronkely
Ny saiko tsy mety raha hoe mpinamana fotsiny ihany isika roa kely

2-Mba topio maso na dia segondra vitsy kely
fa efa ela loatra aho no niandry
hainao somary sadaikatra aho tsy sahy miteny
anefa androany hiezaka ny hihoatra izany
fa samy tsy manana olo-tiana ka tsy aleo ve miara-dia
fa izaho vonona hameno ny banga
tsy dia hoe maimaika loatra satria
efa firy taona izay isika no nifankahalala

mila anao ho namako aho
hizarako ny alahelo sy ny hafaliako e
raiso anie ny tanako hoà
anatrehan'ny lanitra: ianao no hovadiako e
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 21/05/2021 23:43)
Misy hira efa mivoaka azo henoina ve any amin'ny youtube na mp3
nmirorhonan18 ( 18/10/2022 07:23)
Eny! efa misy hira azo henoina ao amin'ny youtube/Soundclound/deezer/Apple Music/Spotify...azonao atao recherche tsara ny anarana hoe "N-mir'o" dia mahita ianao
hery ( 18/10/2022 21:50)
Misaotra fa hitako.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 634
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 21/05/2021 23:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4575