Tsy mampaninona ahy (N-mir'o)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Marary fa ho afeniko tsy ho hitanao akory
mody falifaly, kanefa am-poko ao mitahiry tomany
izany foana ve ny fiainana an-tany?
Ny hasambaran'ny hafa foana no manaloka
Ny hafalinao no ataoko ampy
Ataoko antony hanadinoko ny lasa

'Ndao fa tsy mampaninona ahy
raha ny amiko iny sitran'ny taona eny ihany
Mirary soa sy ny tsara hatrany
Ny anio ho mafy fa ho tsara indray andro any

'Ndao fa tsy mampaninona ahy
raha io foko io ve tsy hisy hampiharina
Ny fiainako mety hangidy eny
fa higoka ny mamy ihany angamba indray andro any

2- Moa ve diso aho
raha manana eritreri-dratsy indraindray
fa toa tsy ho zakako mantsy
ny mieritreritra anao azy fa tsy ahy
izany foana ve ny fiainana an-tany?
Ny hasambaran'ny hafa foana no manaloka
Ny hafalinao no ataoko ampy
Ataoko antony hanadinoko ny lasa

fa tsy mampaninona e
tsy mampaninona e
raha lasa ianao ô
'ndao fa  tsy maninona
na ratrainao ô

Nefa
mamy ho ahy anie
mamy ho ahy anie
ireo lasansika roa
Fa mafy ihany nefa
mafy ihany nefa
fa iezaka hitraka ny loha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : N-mir'o
Vangy : 826
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nmirorhonan18
Daty : 21/05/2021 23:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763