Jesoa Mpanavotra (MAINTIMOLALY MANGASOAVINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny anay dia ny fiderana ry Jesoa
No ambetim-bavanay isan’andro
Raha vao mifoha zmvgyqh maraina koa izahay
Hihira ilay fandresena miezinezina
Nanamontsananao ilay ratsy
Fahavalonay rehetra
Nilevina hateloana tany am-pasana
Nandrombak’ilay fahefana ratsy
Namatopatoran’i satana anay
Ka indro fa olona afaka izahay
Afaka tanteraka tokoa
Ho velona mandrakizay

Ref: Koa misaotra anao ry Jesoa
Fa izao vao tena afaka tokoa
Ho velona tsy ho faty intsony
Hiadana sy ho finaritra
Ho velona mandrakizay

Ianao ry Jesoa mpanjaka malaza
Tompon’ny hery sy ny fahefana
Namerina indray ilay fiadananay
Noravaravan’ilay demony ratsy
Tao am-paradisan-tany fahizay
Akany sambatra mandrakizay
Nanaiky tamin-tsitrapo tokoa Ianao
Ho sorom-belona tsy manan-tsahala
Nijaly sy maty teo amin’ny hazo
Nivoaka ho mpandresy tononkira.serasera.org tamim-boninahitra
Ny maraina koa ny andro fahatelo
Aleloia Jesoa

Koa ankehitriny tapa-tarangana
‘Lay tady mahazaka namatotra anay
Dia ny fahafatesana mandrakizay a!
Ka indro fa tonga nitsiry ao am-po
Ilay fanantenana tsy manam-paharoa
Dia ho snwfwjbp velona mandrakizay
Aoka tsy hatahotra tsy hangorohoro
F’ilay fahavalo montsana sy toro
Koa misaotra Anao zahay ry fjmbv Jesoa ô!
Jesoa sakaiza maminay tokoa
Nisolo voina anay rehetra
Aleloia Jesoa

A/C RANDRIANATOANDRO Jean Doris

--------
Lien:
Commentaires
iotimah ( 16/09/2026 10:00)
Hira Paka
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.032