Fiderana (Ktlm Antsirabe Antampontanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1[Ho derainay mandrakizay ny Anaranao Tompo Andriamanitra ô!
Tompo mpanjakanay, nanao izao rehetra izao
Ka ny androm-piainanay rehetra dia ankalazaina Anao
Satria lehibe tokoa ny fitiavanao anay ah!
Fa raha tsy teo Ianao dia tsy ho toa izao 'zahay
Ka ny hira fiderana dia hira vaovao]×2

[Ka raiso re ry Tompo izao fiderana izao
F'efa napetrao ho eo am-bavako
Ka mba hankasitrao fa vokatry ny fo
Ny HALELOIA sy HOSANA tena ho Anao tokoa
Tena ho Anao tokoa]×2

Ho derainay mandrakizay ny anaranao Tompo Andriamanitra ô!
Tompo......

2[Ô ry Jesosy Tomponay velon-tsaotra mihoby midera Anao
Noho ny fatongavanao eto @ izao tontolo izao
Enga anie ka hitoetra mazava ato am-po sy fanahinay
Ny avotra vitanao izay famonjena anay ah!
Ka mba tolory saina sy ny talenta vao
Hahazoany mihira ny fiderana Anao]×2

[Ny asa izay omenao atao antsitrapo
Ho voninahitra Jehovah Ray Tsitoha
Ka mba omeo hery omeo zotom-po
Dia aza avelanao irery fa mba tohano koa
Fa mba tohano ko]×2

Ô ry Jesosy Tomponay velon-tsaotra mihoby midera Anao
Noho ny.....

Hahazoanay mihira ny fiderana Anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ktlm Antsirabe Antampontanana
Visites : 234
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Hoby3
Date : 27/07/2025 19:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2319