Ankanjo Fotsy (Ktlm Antsirabe Antampontanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza moa ireo miankanjo fotsy lava ireo
Ary avy taiza,avy taiza,avy taiza,avy taiza izy ireo?

D$1
Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe ireo
Ireo no avy tamin'ny fahoriana,fahoriana
Fahoriana lehibe,ireo,ireo,ireo,ireo
Ireo no avy tamin'ny fahoriana, fahoriana, fahoriana
Fahoriana lehibe
Ary ny ankanjony nosasany,nofotsiany
Tamin'ny rà ny ràn'ny zanak'Ondry

Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza
Seza fiandrianana Andriamanitra izy ka
Manompo Azy andro aman'alina
Nefa tsy ho noana na hangetaheta
Ary tsy haninona azy ny masoandro
Fa jeso no miandry azy

D$2
Ny ranomaso no namonto ny tava
Dia nofafany
Dia nofafan'Andriamanitra Ray
Ilay Tompo velona mandrakizay
Ny sentom-po sy halahelo hisava
He faly sy ravo
He faly sy ravo tokoa izy ireo
Ka midera an'Andriamanitra
Mihira mafy hoe:

HALELOIA
    HALELOIA, voninahitra anie
HALELOIA
    Ho Anao ry Mpanjaka Tsitoha
DERA LAZA
    Ary aoka ny fiandanam-be
SY HOSANA
    Ho an'ny olona izay mankato

HALELOIA,HALELOIA
DERA LAZA NO HASANDRATRAY
HO ANAO RY JESOSY MPANAVOTRA ANAY

HALELOIA
    HALELOIA, voninahitra anie
HALELOIA
    Ho Anao ry Mpanjaka Tsitoha
DERA LAZA
    Ary aoka ny fiandanam-be
SY HOSANA
     Sy ny fiainana mandrakizay
HALELOIA AMEN
     Ho an'ny mino mankato
     'Zay lazain'ny teny Amen
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ktlm Antsirabe Antampontanana
Hits : 278
Likes : 1 Like
Created by : Hoby3
Date : 22/07/2025 11:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0845