Ovay ny fomba (Ktlm Antsirabe Antampontanana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ambara sy toriana ny Teninao Ho fiainana ivelomana
Nefa manjary lasa fahazarana
Ka tsy natao iainana
Tsy mahatsapa akory ny ady atrehina
Ny devoly anie manao ‘zay hamotehina
Sy mandavo izay tsy miorina mafy
Ka tsy mandray ny voa nafafy
Ref:Ialao ny toetra ratsy fanaonao
Fa tia anao Jesosy Tomponao
Meteza ho sasan’I Jesosy ianao
Fa vonon’Izy handray anao
2.Miantehitra amin’ny herin’ny tena
Mitady ilay famonjena
Nefa tsy mety hahita fiadanana
Kivy ka miala maina
Tsy mino fa manamafy ny fony
Mitanondrika tsy mahita ambony
Toa resy ka indro feno toloko
Tsy mino ny herin’Ilay Tompo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ktlm Antsirabe AntampontananaVangy : 11
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Hoby3
Daty : 25/12/2025 16:18
