Anilanao (Hagay Groupe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anilanao

Maro ny lalana vita
Saingy indrisy fa tsy nahita
'Zay noheverina ho soa
Fa toa fanimbana avokoa
Ankehitriny aho vao nahatsapa
Fa ny anilanao no tsisy latsa
Ka raiso aho o ry Jeso
Fa hiverina anilanao

Ref :
Mamindra fo aminay ry Tompo o
Diovy zahay fa feno loto
Raha sitrakao tantano tsy ho very
Raha tojo ady aza avela ho irery

Amin'izao andro izao
No hanantonanay Anao
'Zay efa trotraka mafy
Reraka ny fo sy fanahy
Mino aho anefa fa tsy ho lavinao
ao anilanao re manomboka izao
Mba tsy hiala teo intsony
Fa hitoetra eo  anilanao

Ref :
Mamindra fo aminay ry Tompo.......
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Hagay Groupe
Visites : 364
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : HERILANTO28
Date : 15/05/2025 10:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.275